<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>795</hymn_number>
<title>Jeso o, Sakaizanay FFPM795</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso ô, Sakaizanay,
 Ao an-danitra aminao
 Misy zaza namanay
 Mifaly ravo ao.

[V2]
 O, ry tia zaza ô !
 Mba ampio izahay
 Mba hifaly aminao
 Atý an-dasinay.

[V3]
 Raha mbola ho atý,
 Mba tantano izahay,
 Ka tariho ho arý,
 Ry Zoky tia anay.

[V4]
 Ary raha tapitra
 Ny anjaranay atý
 Raisonao mba hiditra
 Ao aminao arý.</lyrics>
<author>J. Ramala</author>
</song>